Iran: Voafonja ny mpianatra manohitra ny fandevenana ireo maty maritiora

By gasykool

ak11

Mihoatra ny 70 ireo mpianatra avy ao amin’ny anjerimanontolo Amir Kabir tao Teheran no voasambotra androany, Talata 24 Febroary, rehefa nanao ny fihetsiketsehana  manohitra ny famindrana razana maty maritiora tsy fantatra anarana tamin’ny adin’ny Iraka sy Iran izay alevina ao amin’ny faritry ny anjerimanontolo. Efa nampiely sary sy horonantsary maro dia maro mahakasika ity hetsik’izy ireo ity ny mpianatra ao amin’ny tranok’lam-baovao antsoina hoe Amir Kabir News. Nitatitra ity toe-draharaha ity ny mpitoraka bolongana maro, izay mampiseho karazana firehan-kevitra ary mitondra tantara manokana.

Eto ambany dia misy ny horonantsary misy ny fihetsiketsehana tao amin’ny anjerimanontolo Amir Kabir, koa tamin’izany no nitondran’ireto mpianatra fanoharana ny governemanta iranianina ho toy ny Afghan Taliban ary nohiraihirain’izy ireo ny teny hoe:”Ambany miaraka amin’ny Taliban!”

Tohiny » http://mg.globalvoicesonline.org/2009/02/26/1720/

Mpandika koloina · 12:21 · Iran , Iraq

Leave a Reply