Ny oram-baratra tamin’ny volana lasa teo dia nahatonga tondra-drano sy fihotsahan-tany tao amin’ny firenena, izay nandrava trano maro misy fianakaviana miisa hatrany amin’ny 200 no mihoatra, nahaverezana tany sy voly antapitrisany tao amin’ny faritra efatry ny firenena. Izany zava-nitranga izany no nahatonga ny mpiara-monina hiara-mientana hangataka fanampiana ho an’ireo tena tsy manan-katokona sy ireo ravan’ny herisetran’ny natiora.
Napetraky ny ministeran’ny fanajarina ny tany tamin’ny 3 Febroary 2009 ny teti-bolam-bahoaka hamatsiana ny fanampiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano farany teo. Ny tanjona dia ny hanamora ny fahasahiranana mianjady amin’ireto tra-boina sy hiverenan’izy ireo amin’ny fiainany mahazatra. Satria singa iray ny ezaka fanangonana ireo fanomezana ho amin’ity famatsiana ity, dia narafitra mandritra ny herinandro vitsivitsy ny hetsika malala-tanana mba ho loharanom-bola nasionaly izay entina hamatsiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano sy ny fihotsahan-tany. Ity no ohatra iray izay mampiseho fa mifanohana ny mpiara-monina ao an-toerana amin’ny alalan’ny fifanampian’izy samy izy ihany. Fiteny Malay ny hoe Masyarakat Perihatin izay midika hoe fiaraha-monina mifampitsinjo.
Ohatra, niezaka mafy ny trano fandraisam-bahiny antsoina hoe Orchid Garden Hotel hitondra ny anjara birikiny amin’ny alalan’ny mofomamy. Nahalafo mofomamy mihoatra ny 2 000 isa ity hotely ity. Tretrika tokoa izy nandranty fonosana mofomamy miisa 25 milanja ho 250kg. Ny hadirin’ireo fonosana rehefa atambatra dia mahatratra ho 84 x 84 santimetatra tora-droa ny velarany ambanty ary 192 santimetra ny haavony (7 pieds X 7 pieds X 16 pieds ).
Sarin’ny Strictly Beautiful

Mitatitra mahakasika izay fanomezana mofomamy izay i Ranoadidas ary koa mahakasika loharanom-bola hafa izay nahalafosana tapakila ahazoana mihinana Nasi Lemak miisa 900, ilay sakafo malaza ao an-toerana: