Colombia:Tratra ny fitsikilovana ara-pifandraisana tsy manara-dalana

July 7, 2009

Tamin’ny herinandro lasa teo, nabaribarin’ny Semana news magazine fa ireo mpiasa sasany tao amin’ny birao misahana ny fiarovana (DAS ny raikipohy amin’ny teny Espaniola), « polisy miafina » an’i Colombia, dia efa nanao fandraisam-peo tsy ara-dalana ireo mpanao politika, ny mpanao gazety, ny mpitsara, ireo manampahaizana, ary – tamin’ity indray toraka ity – dia ny mpiandraikitra ao amin’ny governemanta mihintsy izay tena akaiky an’i Filoha Alvaro Uribe, koa anisan’izany koa ny Sekreterany manokana ara-dalana sy ny mpiandraikitra avy ao amin’ny birao misahana ny fiambenana azy manokana. Ny ratsy indrindra, araka ny voalaza ao amin’ny boky mpiseho isan’andro (magasine), dia toa hoe namidin’ireto polisy sasantsasany tamin’ny « mpanera govana », antsoina amin’ny anarana hoe guerrillas, mpiantafika na mpanodikodina rongony, ireo loharanom-baovao azo avy tamin’ny horonam-peo an-telefonina tsy ara-dalana. Taitra ny mpamaham-bolongana manoloana ny fanambarana.

Tohiny » http://mg.globalvoicesonline.org/2009/02/26/1738/

Broney:Famatsiana ny tra-boinan’ny tondra-drano

July 7, 2009

Ny oram-baratra tamin’ny volana lasa teo dia nahatonga tondra-drano sy fihotsahan-tany tao amin’ny firenena, izay nandrava trano maro misy fianakaviana miisa hatrany amin’ny 200 no mihoatra, nahaverezana tany sy voly antapitrisany tao amin’ny faritra efatry ny firenena. Izany  zava-nitranga izany no nahatonga ny mpiara-monina hiara-mientana hangataka fanampiana ho an’ireo tena tsy manan-katokona sy ireo ravan’ny herisetran’ny natiora.

Napetraky ny ministeran’ny fanajarina ny tany tamin’ny 3 Febroary 2009 ny teti-bolam-bahoaka hamatsiana ny fanampiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano farany teo. Ny tanjona dia ny hanamora ny fahasahiranana mianjady amin’ireto tra-boina sy hiverenan’izy ireo amin’ny fiainany mahazatra. Satria singa iray ny ezaka fanangonana ireo fanomezana ho amin’ity famatsiana ity, dia narafitra mandritra ny herinandro vitsivitsy ny hetsika malala-tanana mba ho loharanom-bola nasionaly izay entina hamatsiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano sy ny fihotsahan-tany. Ity no ohatra iray izay mampiseho fa mifanohana ny mpiara-monina ao an-toerana amin’ny alalan’ny fifanampian’izy samy izy ihany. Fiteny Malay ny hoe Masyarakat Perihatin izay midika hoe fiaraha-monina mifampitsinjo.

Ohatra, niezaka mafy ny trano fandraisam-bahiny antsoina hoe Orchid Garden Hotel hitondra ny anjara birikiny amin’ny alalan’ny mofomamy. Nahalafo mofomamy mihoatra ny 2 000 isa ity hotely ity. Tretrika tokoa izy nandranty fonosana mofomamy miisa 25 milanja ho 250kg. Ny hadirin’ireo fonosana rehefa atambatra dia mahatratra ho 84 x 84 santimetatra tora-droa ny velarany ambanty ary  192 santimetra ny haavony (7 pieds  X 7 pieds  X 16 pieds ).

Sarin’ny Strictly Beautiful

cupcake

Mitatitra mahakasika izay fanomezana mofomamy izay i Ranoadidas ary koa mahakasika loharanom-bola hafa izay nahalafosana tapakila  ahazoana mihinana Nasi Lemak miisa 900, ilay sakafo malaza ao an-toerana:

tohiny: http://mg.globalvoicesonline.org/2009/02/26/1718/
Mpandika koloina.

Raha hijery ireo lahatsoratra hafa:
http://mg.globalvoicesonline.org

Iran: Voafonja ny mpianatra manohitra ny fandevenana ireo maty maritiora

July 7, 2009

ak11

Mihoatra ny 70 ireo mpianatra avy ao amin’ny anjerimanontolo Amir Kabir tao Teheran no voasambotra androany, Talata 24 Febroary, rehefa nanao ny fihetsiketsehana  manohitra ny famindrana razana maty maritiora tsy fantatra anarana tamin’ny adin’ny Iraka sy Iran izay alevina ao amin’ny faritry ny anjerimanontolo. Efa nampiely sary sy horonantsary maro dia maro mahakasika ity hetsik’izy ireo ity ny mpianatra ao amin’ny tranok’lam-baovao antsoina hoe Amir Kabir News. Nitatitra ity toe-draharaha ity ny mpitoraka bolongana maro, izay mampiseho karazana firehan-kevitra ary mitondra tantara manokana.

Eto ambany dia misy ny horonantsary misy ny fihetsiketsehana tao amin’ny anjerimanontolo Amir Kabir, koa tamin’izany no nitondran’ireto mpianatra fanoharana ny governemanta iranianina ho toy ny Afghan Taliban ary nohiraihirain’izy ireo ny teny hoe:”Ambany miaraka amin’ny Taliban!”

Tohiny » http://mg.globalvoicesonline.org/2009/02/26/1720/

Mpandika koloina · 12:21 · Iran , Iraq

for globalvoicesonline.org/teny Malagasy

December 4, 2008

This blog is used just to saw the globalvoices Malagasy translations


Follow

Get every new post delivered to your Inbox.